The Fall of Jerusalem
1. And it came to pass in the ninth year of his reign, in the tenth month, in the tenth day of the month, that Nebuchadnezzar king of Babylon came, he, and all his host, against Jerusalem, and pitched against it; and they built forts against it round about.
1. "La neuvième année du règne de Sédécias, le dixième jour du dixième mois, Nebucadnetsar, roi de Babylone, vint avec toute son armée contre Jérusalem; il campa devant elle, et éleva des retranchements tout autour."
1. "Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahafolo tamin' ny volana fahafolo tamin' ny taona fahasivy nanjakan' i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara mpanjakan' i Babylona, dia izy sy ny miaramilany rehetra hamely an' i Jerosalema ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy."
2. And the city was besieged unto the eleventh year of king Zedekiah.
2. La ville fut assiégée jusqu`à la onzième année du roi Sédécias.
2. Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin' ny taona fahiraika ambin' ny folo nanjakan' i Zedekia mpanjaka.
3. And on the ninth day of the fourth month the famine prevailed in the city, and there was no bread for the people of the land.
3. Le neuvième jour du mois, la famine était forte dans la ville, et il n`y avait pas de pain pour le peuple du pays.
3. Ary tamin' ny andro fahasivy tamin' ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an' ny olona tompon-tany.
4. And the city was broken up, and all the men of war fled by night by the way of the gate between two walls, which is by the king's garden: (now the Chaldees were against the city round about:) and the king went the way toward the plain.
4. "Alors la brèche fut faite à la ville; et tous les gens de guerre s`enfuirent de nuit par le chemin de la porte entre les deux murs près du jardin du roi, pendant que les Chaldéens environnaient la ville. Les fuyards prirent le chemin de la plaine."
4. Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila mpiady rehetra tamin' ny lalana nankamin' ny vavahady tanelanelan' ny manda roa izay eo anilan' ny sahan' ny mpanjaka (fa ny Kaldeana dia nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin' ny lalana mankeny amin' ny tany lemaka.
5. And the army of the Chaldees pursued after the king, and overtook him in the plains of Jericho: and all his army were scattered from him.
5. Mais l`armée des Chaldéens poursuivit le roi et l`atteignit dans les plaines de Jéricho, et toute son armée se dispersa loin de lui.
5. "Ary ny tafiky ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin' ny tany lemak' i Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny tafiny rehetra."
6. So they took the king, and brought him up to the king of Babylon to Riblah; and they gave judgment upon him.
6. "Ils saisirent le roi, et le firent monter vers le roi de Babylone à Ribla; et l`on prononça contre lui une sentence."
6. Ary nosamboriny ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin' ny mpanjakan' i Babylona tany Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
7. And they slew the sons of Zedekiah before his eyes, and put out the eyes of Zedekiah, and bound him with fetters of brass, and carried him to Babylon.
7. "Les fils de Sédécias furent égorgés en sa présence; puis on creva les yeux à Sédécias, on le lia avec des chaînes d`airain, et on le mena à Babylone."
7. Ary ny zanakalahin' i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason' i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin' ny gadra varahina izy ka nentiny tany Babylona.
8. And in the fifth month, on the seventh day of the month, which is the nineteenth year of king Nebuchadnezzar king of Babylon, came Nebuzaradan, captain of the guard, a servant of the king of Babylon, unto Jerusalem:
8. Le septième jour du cinquième mois, -c`était la dix-neuvième année du règne de Nebucadnetsar, roi de Babylone, -Nebuzaradan, chef des gardes, serviteur du roi de Babylone, entra dans Jérusalem.
8. Ary tamin' ny andro fahafito tamin' ny volana fahadimy tamin' ny taona fahasivy ambin' ny folo nanjakan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben' ny mpiambina, mpanompon' ny mpanjakan' i Babylona,
9. And he burnt the house of the LORD, and the king's house, and all the houses of Jerusalem, and every great man's house burnt he with fire.
9. "Il brûla la maison de l`Éternel, la maison du roi, et toutes les maisons de Jérusalem; il livra au feu toutes les maisons de quelque importance."
9. Ka nandoro ny tranon' i Jehovah sy ny tranon' ny mpanjaka mbamin' ny trano rehetra tany Jerosalema: ary ny tranon' ny lehibe rehetra dia nodorany tamin' ny afo avokoa.
10. And all the army of the Chaldees, that were with the captain of the guard, brake down the walls of Jerusalem round about.
10. Toute l`armée des Chaldéens, qui était avec le chef des gardes, démolit les murailles formant l`enceinte de Jérusalem.
10. Ary ny manda manodidina an' i Jerosalema dia noravan' ny tafiky ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben' ny mpiambina.
11. Now the rest of the people that were left in the city, and the fugitives that fell away to the king of Babylon, with the remnant of the multitude, did Nebuzaradan the captain of the guard carry away.
11. Nebuzaradan, chef des gardes, emmena captifs ceux du peuple qui étaient demeurés dans la ville, ceux qui s`étaient rendus au roi de Babylone, et le reste de la multitude.
11. Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan' i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin' i Nebozaradana, lehiben' ny mpiambina, ho babo avokoa.
12. But the captain of the guard left of the poor of the land to be vinedressers and husbandmen.
12. Cependant le chef des gardes laissa comme vignerons et comme laboureurs quelques-uns des plus pauvres du pays.
12. Nefa ny olona mahantra dia nisy navelan' ny lehiben' ny mpiambina ho mpamboatra tanimboaloboka sy ho mpiasa tany.
13. And the pillars of brass that were in the house of the LORD, and the bases, and the brasen sea that was in the house of the LORD, did the Chaldees break in pieces, and carried the brass of them to Babylon.
13. Les Chaldéens brisèrent les colonnes d`airain qui étaient dans la maison de l`Éternel, les bases, la mer d`airain qui était dans la maison de l`Éternel, et ils en emportèrent l`airain à Babylone.
13. Ary ireo andry varahina tao an-tranon' i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon' i Jehovah dia notorotoroin' ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina taminy.
14. And the pots, and the shovels, and the snuffers, and the spoons, and all the vessels of brass wherewith they ministered, took they away.
14. Ils prirent les cendriers, les pelles, les couteaux, les tasses, et tous les ustensiles d`airain avec lesquels on faisait le service.
14. Ary nentiny koa ny vilany, ny fandraofan-davenona sy ny hetin-jiro sy ny sotro ary ny fanaka varahina rehetra izay enti-manao ny asa fanompoana.
15. And the firepans, and the bowls, and such things as were of gold, in gold, and of silver, in silver, the captain of the guard took away.
15. Le chef des gardes prit encore les brasiers et les coupes, ce qui était d`or et ce qui était d`argent.
15. Ary nentin' ny lehiben' ny mpiambina koa ny fanendasana sy ny tsangambava, sy ny zavatra rehetra natao tamin' ny volamena sy ny volamena, sy izay natao tamin' ny volafotsy sy ny volafotsy.
16. The two pillars, one sea, and the bases which Solomon had made for the house of the LORD; the brass of all these vessels was without weight.
16. Les deux colonnes, la mer, et les bases, que Salomon avait faites pour la maison de l`Éternel, tous ces ustensiles d`airain avaient un poids inconnu.
16. "Ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano izay nataon' i Solomona ho amin' ny tranon' i Jehovah; ny varahina tamin' izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja."
17. The height of the one pillar was eighteen cubits, and the chapiter upon it was brass: and the height of the chapiter three cubits; and the wreathen work, and pomegranates upon the chapiter round about, all of brass: and like unto these had the second pillar with wreathen work.
17. "La hauteur d`une colonne était de dix-huit coudées, et il y avait au-dessus un chapiteau d`airain dont la hauteur était de trois coudées; autour du chapiteau il y avait un treillis et des grenades, le tout d`airain; il en était de même pour la seconde colonne avec le treillis."
17. "Valo ambin' ny folo hakiho ny haavon' ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny haavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin' ny kapitaliny manodidina ; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin' ny harato."
18. And the captain of the guard took Seraiah the chief priest, and Zephaniah the second priest, and the three keepers of the door:
18. Le chef des gardes prit Seraja, le souverain sacrificateur, Sophonie, le second sacrificateur, et les trois gardiens du seuil.
18. "Ary ny lehiben' ny mpiambina naka an' i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana telo lahy;"
19. And out of the city he took an officer that was set over the men of war, and five men of them that were in the king's presence, which were found in the city, and the principal scribe of the host, which mustered the people of the land, and threescore men of the people of the land that were found in the city:
19. Et dans la ville il prit un eunuque qui avait sous son commandement les gens de guerre, cinq hommes qui faisaient partie des conseillers du roi et qui furent trouvés dans la ville, le secrétaire du chef de l`armée qui était chargé d`enrôler le peuple du pays, et soixante hommes du peuple du pays qui se trouvèrent dans la ville.
19. Ary avy tao an-tanàna no nakany manamboninahitra anankiray izay nifehy ny miaramila handeha amin' ny ady, ary dimy tamin' izay mpitoetra teo anatrehan' ny mpanjaka izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin' ny tafika izay miantso ny tompon-tany, sy enimpolo lahy tamin' ny tompon-tany izay hita tao an-tanàna.
20. And Nebuzaradan captain of the guard took these, and brought them to the king of Babylon to Riblah:
20. Nebuzaradan, chef des gardes, les prit, et les conduisit vers le roi de Babylone à Ribla.
20. Dia nalain' i Nebozaradana, lehiben' ny mpiambina ireo, ka nentiny ho any amin' ny mpanjakan' i Babylona tao Ribla.
21. And the king of Babylon smote them, and slew them at Riblah in the land of Hamath. So Judah was carried away out of their land.
21. Le roi de Babylone les frappa et les fit mourir à Ribla, dans le pays de Hamath.
21. Dia novonoin' ny mpanjakan' i Babylona tao Ribla any amin' ny tany Hamata ireo. Koa nentina niala avy tao amin' ny taniny ny Joda.
22. And as for the people that remained in the land of Judah, whom Nebuchadnezzar king of Babylon had left, even over them he made Gedaliah the son of Ahikam, the son of Shaphan, ruler.
22. Ainsi Juda fut emmené captif loin de son pays. Et Nebucadnetsar, roi de Babylone, plaça le reste du peuple, qu`il laissa dans le pays de Juda, sous le commandement de Guedalia, fils d`Achikam, fils de Schaphan.
22. Fa ny amin' ny olona izay sisa tany amin' ny tanin' ny Joda, izay navelan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, dia Gedalia, zanak' i Ahikama, zanak' i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
23. And when all the captains of the armies, they and their men, heard that the king of Babylon had made Gedaliah governor, there came to Gedaliah to Mizpah, even Ishmael the son of Nethaniah, and Johanan the son of Careah, and Seraiah the son of Tanhumeth the Netophathite, and Jaazaniah the son of a Maachathite, they and their men.
23. Lorsque tous les chefs des troupes eurent appris, eux et leurs hommes, que le roi de Babylone avait établi Guedalia pour gouverneur, ils se rendirent auprès de Guedalia à Mitspa, savoir Ismaël, fils de Nethania, Jochanan, fils de Karéach, Seraja, fils de Thanhumeth, de Nethopha, et Jaazania, fils du Maacathien, eux et leurs hommes.
23. Ary nony ren' ny komandin' ny miaramila rehetra mbamin' ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, ho governora, dia nankany amin' i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak' i Netania, sy Johanana, zanak' i Karea, sy Seraia, zanak' i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak' ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24. And Gedaliah sware to them, and to their men, and said unto them, Fear not to be the servants of the Chaldees: dwell in the land, and serve the king of Babylon; and it shall be well with you.
24. "Guedalia leur jura, à eux et à leurs hommes, et leur dit: Ne craignez rien de la part des serviteurs des Chaldéens; demeurez dans le pays, servez le roi de Babylone, et vous vous en trouverez bien."
24. Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin' ny olom-peheziny ka nanao taminy hoe: Aza matahotra ny ho mpanompon' ny Kaldeana, fa mitomoera amin' ny tany, ary manompoa ny mpanjakan' i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25. But it came to pass in the seventh month, that Ishmael the son of Nethaniah, the son of Elishama, of the seed royal, came, and ten men with him, and smote Gedaliah, that he died, and the Jews and the Chaldees that were with him at Mizpah.
25. Mais au septième mois, Ismaël, fils de Nethania, fils d`Élischama, de la race royale, vint, accompagné de dix hommes, et ils frappèrent mortellement Guedalia, ainsi que les Juifs et les Chaldéens qui étaient avec lui à Mitspa.
25. Fa izao no niseho, tamin' ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak' i Netania, zanak' i Elisama, isan'ny taranaky ny mpanjaka, mbamin' ny olona folo lahy niaraka taminy, dia namely an' i Gedalia, ka nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26. And all the people, both small and great, and the captains of the armies, arose, and came to Egypt: for they were afraid of the Chaldees.
26. Alors tout le peuple, depuis le plus petit jusqu`au plus grand, et les chefs des troupes, se levèrent et s`en allèrent en Égypte, parce qu`ils avaient peur des Chaldéens.
26. Koa niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin' ny komandin' ny tafika ka nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy ireo.
Jehoiachin Released
27. And it came to pass in the seven and thirtieth year of the captivity of Jehoiachin king of Judah, in the twelfth month, on the seven and twentieth day of the month, that Evilmerodach king of Babylon in the year that he began to reign did lift up the head of Jehoiachin king of Judah out of prison;
27. La trente-septième année de la captivité de Jojakin, roi de Juda, le vingt-septième jour du douzième mois, Évil Merodac, roi de Babylone, dans la première année de son règne, releva la tête de Jojakin, roi de Juda, et le tira de prison.
27. Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahafito amby roapolo tamin' ny volana faharoa ambin' ny folo tamin' ny taona fahafito amby telopolo taorian' ny namaboana an' i Joiakina, mpanjakan' ny Joda, tamin' ny taona vao nanjakan' i Evilamerodaka, mpanjakan' i Babylona, no nanandratany ny lohan' ny Joiakina, mpanjakan' ny Joda hiala tao an-tranomaizina.
28. And he spake kindly to him, and set his throne above the throne of the kings that were with him in Babylon;
28. Il lui parla avec bonté, et il mit son trône au-dessus du trône des rois qui étaient avec lui à Babylone.
28. Dia niteny tamin' ny fahamoram-panahy taminy izy, ka ny sezafiandrianany dia nataony ambony noho ny sezafiandrianan' ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babylona.
29. And changed his prison garments: and he did eat bread continually before him all the days of his life.
29. Il lui fit changer ses vêtements de prison, et Jojakin mangea toujours à sa table tout le temps de sa vie.
29. "Dia novany ny fitafian-tranomaizina nanaovany; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin' ny andro rehetra niainany."
30. And his allowance was a continual allowance given him of the king, a daily rate for every day, all the days of his life.
30. Le roi pourvut constamment à son entretien journalier tout le temps de sa vie.
30. Ary ny fivelomany dia fivelomana nomena mandrakariva avy amin' ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan' andro tamin' ny andro rehetra niainany.